Non classé

Mampianatra olona votsa saina – Ilaina talenta manokana sy fitiavana ary fahavononana

Manomana ny akora fototra hanamboarana Papier Antemoro

Tsy ny olona rehetra no afaka hampianatra ny olona manana kilema ara-tsaina.
Mila midina ambany maka ny toeran’ilay olona votsa saina raha te hahita fahombiazana amin’ny fanabeazana ny mpianatra iray. Jerena amin’ny antsipirihany tsirairay ny kilema mahazo ny mpianatra ao an-dakilasy

Manomana ny akora fototra hanamboarana Papier Antemoro

Miainga avy amin’ izany no hisitonana ny fomba enti-mampianatra sy mampita ny fahalalana ary hisian’ny fifanatonana eo amin’ny mpampianatra sy ny ankizy beazina. Efa nampianatra tany amin’ny sekoly ho an’ny olona tsy manana kilema na mpanentana ny olona afaka mampianatra amin’ny sekolin’ny ankizy votsa saina.
Misy fandrindram-pampianarana manokana no homena ny mpampianatra olona votsa saina raha mitaha amin’ireo mpampianatra eny amin’ny sekoly tsy manana kilema. Tsy manaraka ny fandaharam-pampianaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa, ny foibe fanabeazana Orchidées Blanches etsy Analamahitsy. Tsy hanenjika diplaôma no tanjona fa ny tsy ho enta-mavesatra amin’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana ary hahaleo-tena.

Finiavana

Madio sy milamina ny toerana

Mila olona manana fitiavana sy fahavononana ary fahaizana sy talenta ny mpampianatra ny ankizy votsa saina. Mora manadino sy ela vao mahazo zavatra ary averimberina matetika ny fampianarana ho an’ny olona votsa saina. « Ny zavatra ampianarinao azy androany, rahampitso na vetivety eo iny dia hadinony. Izay no antony hanampiana amin’ny fampianarana ny fampiasana ny tànany na zavatra hitan’ny masony », hoy Ratsifandrihamanana Lisy, mpitsabo mpandinika momba ny toetra na « psychologue clinicienne », efa niasa ampolon-taonany tao amin’ny foibe Orchidées Blanches ary mitohy izany hatramin’izao ny fanomezana tolo-tànana na efa misotro ronono aza, izy.
Mihaino, mandinika, mijery ary mahay maka lesona sy mitady vahaolana ny fomba fampianarana ny olona votsa saina. Tsy hopitaly fa sekoly mitsabo manasitrana ny foibe. Noho izany tsy afaka manitsy na manova ny toe-batan’ny ankizy na manome fanafody fa fanabeazana no homena azy. « Raha tsy afaka manoratra ny zaza iray, resaka no hampitana ny fahalalana sy fanabeazana. Misy fotoana alefa any amin’ireny sekoly misy mpianatra salama ireny mba hampivoatra ny fandraisana zavatra. Tsy ny ankizy rehetra no alefa amin’io fa arakaraky ny taha-pahavotsana. Mihevitra ny tenany koa izy fa tsy manana kilema fa mitovy amin’ny ankizy rehetra », hoy izy.
Ankoatran’ny fampianarana manoratra ho an’ireo afaka manao izany dia hampianarina manao asa tànana ny ankizy. Ny fanamainana voankazo, anisan’ny loharanom-bolan’ny foibe. Misy an’ireo ankizy beazina no lasa miasa ao amin’ny foibe.
Ny taona 1983 no nanomboka niasa sy nampianatra ary nampiofana tao amin’ny foibe Orchidées Blanches, Ratsifandrihamanana Lisy, fony nahavita ny fianarana ho mpitsabo tany ampitan-dranomasina. Ny rahalahin-drainy izay mpitsabo ihany koa no anisan’ny mpanorina fototra ny foibe. Manabe amin’ny mahaolona iray manontolo ny foibe. Misy anjara birikin’ny fiaraha-monina ny fanabeazana ny olona votsa saina. « Misy matahotra ny olona votsa saina fa sao mamono satria heveriny fa olona adala izy ireny. Beazina ny mpiara-monina aminy hampiseho fa olona toy ny olona rehetra izy ireny ka tsy hailikilika », hoy Ratsifandrihamanana Lisy, mpitsabo.
Maro ny olona nitady asa tao amin’ny foibe. Tsy nampoiziny ny zavatra niandry azy rehefa niasa kelikely ka nitsoaka an-daharana. « Mila fiofanana manokana mihitsy ny hampianatra ato amin’ny foibe fa tsy mitovy any amin’ny sekoly tsotra ireny. Tsy tokony hisaringotra amin’ny fiainana any an-tokantrano ny fiainana aty an-tsekoly raha amin’ny maharenim-pianakaviana. Eo no hampisehoana fa hainao tsara ny manavaka ny andraikitra miandry aty an-tsekoly sy ny any antokontrano taorian’ny fiofanana azo », hoy Razafindrakoto Mirana, mpampianatra ao amin’ny foibe Orchidées Blanches.

Fifandraisana

Manamboatra Papier Antemoro ny mpianatra

Mifampitondra toy ny fianakaviana iray ny ankizy beazina sy ny mpampianatra ary ny mpitsabo ao amin’ny foibe Orchidées Blanches. Hampalaky ny fampitana ny fahaizana, esorina na foanana mihitsy ny elanelana misy. « Taloha ohatran’ny hafahafa izany mahita ankizy be lelo sy rora kanefa hamihina sy hanoroka anao. Izy tsy mihafahafa kanefa ianao tsy afaka ny hanilika azy. Ankehitriny, tsy mampaninona fa efa lasa miraiki-po », hoy Ratsifandrihamanana Lisy, mpitsabo, tsy manana endrika kiriko akory.
Anisan’ny fitsaboana sy fanabeazana ary fitaizana ny ankizy ny fandehanana miala sasatra. Mandeha ny vady aman-janak’ireo mpanabe ao amin’ny foibe. « Miara-milalao amin’ny zanakay mpanabe ny ankizy mpianatra. Rehefa samy lehibe, ka mbola mianatra eto ilay ankizy dia tsy mifankafoy ary mifanontany foana », hoy hatrany Lisy, mpitsabo.
Misy amin’ireo mpanabe efa misotro ronono, mitsidika ny foibe hatrany satria mahatsiaro ny fiarahana nahafinaritra tao amin’ny foibe. Mpanabe maro ary mpianatra maro no efa nanovo fahalalana tao amin’ny foibe Orchidées Blanches, nandritra ny dimy amby efapolo taona nijoroany izay.

Soratra : Ranaivoson Rémi