Actualites Onjam-piainana

Jamba mihira – Mahita ny hoaviny

Nitombo isa ireo mpangataka mihirahira eny amoron-dalana, teto an-drenivohitra, na io mahiratra na io jamba, taorian’ireny nampalaza tampoka ny Zaza kanto ireny. Te ho jerena manokana avokoa izy rehetra fa te haneho ny fahaizany sy fananany talenta mihira. Jamba avokoa na Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina na Hery etsy Mahamasina akaikin’ny hôpitaly Befelatanana no mihira sy mangataka na Vololoniaina Emilie sy Ranjanajaona Elisia Justine eo amin’ny làlan-kely anelanelan’ny hôpitaly Joseph Raseta Befelatanana mivoaka aty amin’ny firaisana fahaefatra. Samy mahazo ny anjara sahaza azy avy izy ireo na tsy mifanalavitra aza ny toerana hangatahany.

S aika ahitana mpangataka mihirahira na tsia ny sisin-dalana eto an-drenivohitra, tato anatin’ny dimy taona farany. Hatreto, samy mahazo ny anjara sahaza azy avokoa izy ireny raha hanaovana fanadihadiana fohifohy.

Teo amin’ny fahadimy taona, Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina na Hery no tratran’ny aretin’ny fonon’atidoha na « méningite  ». Niroso teo amin’ny sehatry ny fanambadiana ny taona 1999 ny lehilahy. Ankehitriny, niteraka mirahavavy izy mivady. « Tsy hianteherako amin’ny vadiko samy irery ny fampidiram-bola ao antokatrano. Izay no mahatonga  ahy  hangataka amin’ny alalan’ny hira ety amoron-dalana », hoy Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina, mitantara ny fiainany ho lasa mpangataka.

Tsy mampino

Hafa kely ny aretina nahazo an’i Vololoniaina Emilie no nahatonga azy ho jamba, fony izy sivy taona. Nivoaka ranon-javatra mavomavo ny masony ary niova mavomavo koa ny hodiny iray manontolo. « Tapitra hongotako  amin’ny  tànako  ny voloko raha vao tsy misy olona mahita aho. Tsy mahare marary  aho manao izany. Sola loha no niafarany  », hoy Vololoniaina Emilie, mihomehy ny fahadalany fony zaza.

Tsy mampino ny nahalasa jamba an-dRanjanajaona Elisia Justine, renim-pianakaviana, niteraka telo mianadahy. Nisy toerana tsy azo iandrasana kisoa tany Faratsiho raha ny filazan’ireo zokiolona teo an-tanàna. Tsy mino ny fisian’izany fady izany ny ray aman-drenin’i Justine. « Efa andro mazava izao  ve  hoy  ny  reninay dia mbola misy izany fadifady izany », hoy Ranjanajaona Elisia Justine, mitantara ny fiantombohan’ny fahavoazany. Potraka tao anaty rano i Justine rehefa avy niandry kisoa. Nisy boribory miloko menamena ny anakandriamasony. Nentin’ny reniny tany amin’ny mpitsabo. Vaky ny anakandriamaso havia noho ny fikosehana mafy loatra nataon’ilay mpitsabo. Nalefan’ny ray amandreniny nianatra tao amin’ny Foibe Fanabeazana ny Jamba tao Antsirabe izy

Nihamaizina tsikelikely ny fahitan’izy telo mianadahy raha nitanisa ny fahavoazanany. Samy tsy misy mahatadidy ihany koa ny karazana loko afatsy ny mazava sy ny maizina.

Fikarohana

Nivarotra takela-kazo voasokitra ary tabilao misy tenin’Andriamanitra, Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina na Hery, ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2003. Zara raha mahalafo ao anatin’ny iray andro kanefa mivezivezy mitety tanàna. Novambra 2004, niantsoantso nangataka teny amoron-dalana. « Tokony  hovaina  ny  fomba hisarihana ny olona fa tsy vitan’ny  antsoantso  intsony  », hoy Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina, mitantara ny fikarohana nataony. Nanomboka ny taona 2013 ka hatramin’ny 2019, lasa namorona tarika izy telo mirahalahy samy jamba. « Ny olona tsy hilaozan’ny kifetsifetsy dia  naleoko  nandeha samy irery », hoy hatrany Hery, naneho ny alahelony tamin’ny nanambakan’ireo mpangataka mitovy taminy.

Ny taona 2016 ka hatramin’ny 2019. Tsy nivoadrindrina fa nipetraka tao an-trano, Vololoniaina Emilie. Nampianarin’ny reniny nahandro sakafo sy nampirina trano. Tratran’ny tsy fahasalamana ny reniny noho ny fahafatesan’ny vadiny. Lasa narenindrenina sy tapaka lalan-drà. Tapaka hatreo ny fidirambola tao an-tokantrano ka voatery nitady vola i Emilie. « Nasaiko nentin’ny zokiko tety  aho  hangataka  tamin’ny voalohany. Naheno an’i Justine nihira irery aho tamin’ny izahay nandalo. Nifampiresaka teo izahay roa  vavy  hoe  handao hiara-hihira », hoy Vololoniaina Emilie, mitantara ny fihaonana voalohany teo amin’izy roa vavy. Avy eny Ambilanibe – Ampefiloha no mipetraka Ranjanajaona Elisia Justine kanefa eny Ambodiady – Ambohimanarina Vololoniaina Emilie no monina. Maka andro iray rehefa misy hira vaovao hianarana. Tsy mifidy na hiram-pivavahana na hira tsotra. Ny zanaka no manampy amin’ny fitadidiana ny tonon-kira. « Samy maka ny feo mety aminy fotsiny ny anay  roa vavy dia  efa  mety  », hoy izy roa vavy niara-niteny.

Niroso tamin’ny fanambadiana, Ranjanajaona Elisia Justine, ny taona 2015, efa jamba ny tenany. Niteraka telo mianadahy izy mivady. Manao asa an-tselika amin’ny taotrano ny asa fivelomandrangahy. Nivarotra bisokiotra sy vatomamy akaikin’ny Ceg Anosibe kosa ramatoa miaraka ny zanany lahimatoa « Nety tsara ny fiainanay mianakavy tamin’izany fotoana. Nivadika  ny  rasa fa  lasa nanao  vadikely  rangahy rehefa  nanam-bola.  Nolazainy fa nahabevohoka zanak’olona  izy  dia  lasa nanaraka  an’io  vehivavy io », Ranjanajaona Elisia Justine, malahelo ny zanany tsy miditra an-tsekoly intsony noho ny tsy fisiambola.

Eny amoron-dalana mihirahira avokoa no hahitana azy telo mianadahy na mafana na mangatsiaka na manorana ny andro amin’ny toerana samy hafa. « Jereo akaiky ny  jamba  ry  mpitondra fanjakana…  Rehefa  marary no tena mafy indrindra amiko  sy  ny  fotoam-pahavatra  satria  afaka  mivoaka ny trano kanefa ny vola azo anio no hividiankanina », hoy Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina, malahelo ny tenany tsy afa-manoatra amin’ny adidy mavesatra mitambesatra aminy.

Mivarotra vatomamy sy bisikoitra ny zanaky Ranjanajaona Elisia Justine manakaiky ny toerana hangatahany. Mifamenofeno eo ny fidiram-bolan’izy efa-mianaka. « Rehefa  mahavidy  vary  iray kapoaka  sy  hividianana laoka ary labozia ny vola azo dia hisaorana an’Andriamanitra. Tsy moramora ny  mamelona  zaza  telo kanefa ny tena jamba ny vady lasan’ny olona », hoy Ranjanajaona Elisia Justine, mankahery tena amin’ny hamafin’ny fiainany.

Ankehitriny, mipetradrery, Vololoniaina Emilie. Miahy tena ny tovovavy. « Atao  izay  hitsinjarana ny  vola  izay  azo  eo.  Ampirinina  raha mahazo be anio fa tsy fantatra ny ampitso  satria  mety  tsy hahita  mihitsy.  Isaky  ny hariva ihany no mihinambary  fa  mofo  sy  kafe  rehefa  amin’ny  maraina sy  ny  antoandro  », hoy Vololoniaina Emilie, mikajikajy ny fandaniana ny vola eo ampelantanany.

Jereo ny jamba

Tokony hisy fampianarana ho an’ny olona mahiratra rehefa mahita ny jamba. Mitondra tehina fotsy izy ireny. « Misy mandaka tsotra izao ny tehina kanefa  iny  no  hitsapana ny lalana halehanay…. Efa saika  vaky  ny  lohako amin’ireny sarety mijanona amoron-dalana ireny. Atrakany  ny  lohan-tsarety  fa tsy  apetrany  amin’ny tany », Ravosson Rakotoarinivo Heriniaina, maneho ny alahelo amin’ny tsy fahatsapan’ny olona mahiratra ny loza mety hanjo azy

Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mba hijerena ny olona manana fahasembanana. « Tsy tiako loatra ny miditra fikambanana fa ataon’ny olona sasany fitadiavam-bola ny kilemanay  », hoy Vololoniaina Emilie, mitaraina tamin’ny fahavoazana efa nanjo azy.

Mitovy zo amin’ny olona rehetra ny jamba. « Misy amin’ireny mpamily mpanampy ireny tsy mety mitondra anay kanefa anie izahay mandoa saran-dalana fa tsy mitaingim-potsiny… Ny tena tsy tantiko ny fandraisana taxibe diso lavitra loatra. Lasa mihazakazaka  manenjika  ilay taxibe rehefa tairin’ny polisy  handroso  ry  zareo. Sao  heverin’ny  olona  fa mahita  aza  izahay  dia hampitoviany  ny  fihetsiny », hoy Ranjanajaona Elisia Justine.