Actualites Sport

Barea – Faneva Ima, mpilalao baolina kitra tia manampy olona

Nosakanan’ny reniny tsy hilalao baolina kitra fa hifantoka sy hilofo amin’ny fianarana na dia efa tafiditra tao amin’ny ekipan’ny Uscafoot aza i Faneva. Tsy nahasakana ny tanjona tiany ho tratrarina ny fanakanan’ny reniny. Ankehitriny, ny baolina kitra no nampalaza an’i Faneva Ima.
Nivoaka avy tamin’ny fianakaviana tsotsotra, Andriatsima Faneva Ima, ilay kapiten’ny ekipam-pirenena Barea. Efatra mianadahy izy ireo no iray tampo, roa lahy roa vavy. Faneva Ima no lahimatoa. Niasa tao amin’ny Fadin-tseranana ny rainy, Ramanjehimanana Andriatsima Emmanuel ary manao zaitra an-tsena kosa ny an’ny reniny, Razaiarilisy Samueline.
Feno dimy taona, Andriatsimba Feneva Ima no niainga tamin’ny fanaovana baolina kitra teny an-tanimbary. Baolina vita tamin’ny « sachet » no nampiasan’izy sy ny namany. « Nividianako ireny baolina kely ireny ry zalahy fa mampalahelo ahy loatra mijery azy milalao amin’ilay baolina vita amin’ny « sachet », hoy Ramanjehimanana Andriatsima Emmanuel, miezaka mijery ireo tarihin-tsary misy ny sarin’i Faneva Ima, fony fahakeliny.

Niloka vola
Andriatsima Faneva Ima no zandriny indrindra tamin’ireo ankizy mpiara-milalao. Mizarazara ho ekipa roa na telo ary misy ny fifanintsanana. Hampisy lanjany ny fifaninanana, samy mandrotsaka vola ny ekipa tsirairay. Ampirisihan’ireo namany i Faneva Ima haka vola any an-tranony, amin’ny mahazaza azy. « Fantany fa tsy omeko vola izy dia aleony maka antsokosoko ny vola ao anaty vata sarihana rehefa hitany fa samy revo amin’ny asa aman-draharaha izahay », hoy Razaiarilisy
Samueline, mihomehy ny fahadalan’ny zanany, fony fahakeliny.

Faharetana
Hampiavaka ny ekipa eny ambony kianja eo amin’ny andaniny sy ankilany dia misy ireo manala ny akanjony. Misy ny mpanararaotra mangalatra ny akanjon’ireo mpilalao. « Kilaoty kely no entiny miditra ny trano sady mihosom-bovoka ny tenany iray manontolo. Ny ambim-bola, rovidrovitiny dia ariany any an-tanimbary sao ho tratrako rehefa misy fisavana ny paosiny », hoy hatrany Samueline, renin’i Faneva Ima.
Mifanalavitra be ny taonan’i Faneva Ima sy ny zandriny faravavy. Maka sy manatitra an’io zandriny io mianatra no nataony rehefa afaka « Baccalauréat » soamantsara. Tsy nanohy ny fianarany teny amin’ny Anjerimanontolo ny tovolahy. « Isaky ny haka ny zandriny avy mianatra izy dia mitomany foana… Nalahelo an-janako indray aho mahita azy mirefotr’aina. Nifanaraka izahay mianaka fa raha hianatra dia mety aho. Raha resaka baolina kosa dia aza resahina aho. Afaka maka diplaoma BTS ihany koa raha tiana. Roa taona ihany izy no nianatra tao amin’ny Lycée Technique Alarobia. Tsy nivaky loha izay vola very tany izy », hoy Razaiarilisy Samueline, kivy tamin’ny hamafin’ny lohan’ny zanany.
Tany amin’ny nosy Maurice no nivoaka nanao baolina kitra, voalohany, Andriatsima Faneva Ima, rehefa tsy nianatra nandritra ny herintaona. Nisy vazaha telo mirahalahy tonga nihaona tamin’ny ray aman-dreniny fa hanome fiofanana. « Tonga dia nisafoaka aho. Handrebireby anjanako fotsiny indray no hahatongavan’ireto vazaha ireto…. Nisy mpanazatra Malagasy iray hafa koa tonga taty aoriana fa nitovy tsy nisy valaka ny valin-teninay », hoy hatrany Samueline.

an-dafy
Nahavita ny fianarana, teny amin’ny Anjerimanontolo, ny zoky vavin’i Faneva Ima. Somary latsa-panenenana ny tovolahy nahita an-jokiny. « Nanomboka teo, nifototra tamin’ny baolina izy. Betsaka no nitady azy ihany koa. Tao La Réunion no nitady azy voalohany. Naleony tany France no nandeha rehefa nampitoviany ny vola mety ho azo amin’ny fifanarahana. Mety hamiratra kokoa raha any France », hoy Ramanjehimanana Andriatsima Emmanuel, rain’i Faneva Ima.
Farany, somary nalahelo ny fon-dreny nahita ny fanakianana maro be nataon’ny olona tamin’ny tamban-jotra serasera, mikasika manokana an’i Faneva Ima. « Tsy mbola nijery an-janako nanao baolina aho hatramin’izay niakarany kianja raha tsy tamin’iny Can iny. Tsy tantiko ny mahita an-janako misy mamely eny ambony kianja…. Tonga amin’ny tanjona niriny izy izao ka hisaorako an’Andriamanitra lehibe izany », hoy Samueline, namarana ny tafatafa.

Soratra : Ranaivoson Rémi
Sary : Rakotobe Claude19