Actualites Onjam-piainana

Toby fanarenana akany Avoko : Mitaiza ny ankizy nania sy mpatory an-dalana ho olom-banona

Tamin’ny tondra-drano nitranga teto Antananarivo ny taona 1959 no nahatongavan’ny skoto sy mpilatsaka an-tsitrapo Norvezianina sy Soisa. Ny taona 1963, raha sendra nitsidika fonja, no nahitan’izy ireo ankizy vavy maro mifangaro amin’ny olon-dehibe. Teo no nitsiry ny hevitra hananganana ny Akany Avoko eo Faravohitra.

Halatra madinidinika sy sakafo no ankamaroany nataon’ireo zaza nania ireo ka nahatafiditra azy eny am-ponja noho ny hanoanana. Teo no nitsiry ny hevitra ny hananganana akany hitaizana ireo ankizy nania sy mpatory an-tsena. Ankehitriny, mahatratra fito amby enim-polo ny zaza tezaina. Ankoatran’ny fitaizana ara-panahy, hampianarina asa tànana ireo zaza beazina. Ny minisiteran’ny Fitsarana no matetika mandefa ny ankizy vavy ho tezaina ao amin’ny Akany ankoatran’ny fikambanana relijiozy. Minosoa Saholy nirina no lasa mpiasa ao amin’ny toeram-pivarotana sy fampisakafoana Manonga sady mamorona ny entana amidy ao an-toerana.

Tonga teto Antananarivo ny taona 1959 ny mpilatsaka an-tsitrapo Norveziana sy Soisa. Nanampy ny Malagasy traboina tamin’ny tondra-drano lehibe nitranga teto an-drenivohitra izy ireo. Ny taona 1963, nitsidika fonja ireto mpilatsaka an-tsitrapo. Nandritra izany fitsidihana izany no nahitan’izy ireo ny fifangaroan’ny zazavavy nania amin’ireo olon-dehibe. Teo no nitsiry ny hevitra hananganana ny Akany Avoko, toeram-panarenana ireo zaza nania etsy Faravohitra, tany amboalohany, ny taona 1963.

Halatra madinika sy sakafo no ankamaroan’ny heloka nidiran’izy ireo am-ponja. Ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny fikambanana relijiozy no mandefa ireo zaza beazina ao amin’ny akany. Famatsiana ara-bola tsy maharitra avy amin’ireo malala-tànana avy eto an-toerana sy ny Angleterre money for Madagascar ary Small steps for Africa no mpamatsy vola ny Akany Avoko ankoatran’ny vokatry ny asa tànana ataon’ireo zaza beazina.

Ny asa tànana efa mahazatra ampianarin’ny mpanabe dia namorona lafika lovia vita amin’ny rafia, Minosoa Saholy Nirina. Fony fito ambin’ny folo taona no tonga tao amin’ny Akany Avoko, izy sy ny zanany lahikely ary nitondra vohoka. « Tsy fantatro ny ho avin’ny fiainako raha tsy nisy ny Akany Avoko nandray sy nitaiza ahy ka tonga amin’izao toerana misy ahy izao », hoy Minosoa Saholy Nirina, matsiahy ny fiainany talohan’ny nahatongavany tao amin’ny Akany Avoko.

Mpatory teny amoron-dalana, Minosoa Saholy Nirina sy ny zanany lahy. Nitaraina tamin-dRazafindrasoa Hanta, tale mpitantana ny Akany izy mianaka, ny taona 2016 mba ho raisina sy ho beazina ao an-toerana. Nampianarina namaky teny sy nanoratra teny Asama Andohantapenaka sady mianatra asa tànana tao amin’ny Akany, ny tolakandro. « Nampianarina asa tànana toy ny peta-kofehy na ladina na tao-volo, ny taona voalohany vao niditra teto. Tany amin’ny asa tànana vita amin’ny rafia no hitako fa nety tamiko. Niezaka namorona fa tsy nionona tamin’ny nampianarin’ireo mpanabe », hoy hatrany Saholy, sady faly fa efa maro ny olona manjifa ny zavatra noforoniny.

Fivoarana

Ankehitriny, miara-miaina sy beazina miaraka amin’ny zanany roalahy ao amin’ny Akany Avoko, Minosoa Saholy Nirina. Tafiditra ho isan’ny mpiasa mivarotra ao amin’ny toeram-pisakafoanana « Manonga » izay natsangan’ny Akany Avoko, izy. Ho fitsinjovana ny ho avin’i Saholy, tsy mandray karama izy fa harotsakan’ny Akany any amin’ny banky. « Ny Akany no miantoka sy miantsoraka ny fiainan’izy telo mianaka hatreto. Afaka herintaona, alefa manofa trano fa misakafo kosa eto amin’ny Akany. Rehefa hita fa mahavelona azy ny karama raisina sy ny asa tànana izay ataony, afaka roa taona dia halefa hahaleo tena amin’izay kanefa misy hatrany ny fanaraha-maso », hoy Razafindrasoa Hanta, talen’ny Akany, manantena fa raha toa azy avokoa ny ankizy rehetra tezaina ao amin’ny Akany.
Ny tolo-tànana avy amin’ny malala-tànana sy ireo tsara sitrapo avy eto an-toerana ary avy any ivelany no vola mampihodina ny Akany hatreto.

Nanokatra toeram-pisakafoanana sy fivarotana ireo asa tànana vitan’ny ankizy beazina ao amin’ny Akany Avoko, ny volana novambra 2019. Vola maharitra hampihodinana ny Akany no tanjona. « Misy toerana malalaka azo andraisana lanonana sy toeram-pivarotana ary toeram-pisakafoanana no nananganana io trano io. Tsy hiantehitra fanampiana foana fa mba ho mahaleo tena ny Akany », hoy hatrany i Hanta, tsy kivy na mbola vitsy mpahalala aza ny toeram-pisakafoanana « Manonga ».

Taorian’ny doka-barotra ny lafi-bilia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy, manenjika lafi-bilia miisa dimanjato mahery ny Akany Avoko. « Faly fa nandeha ny doka-barotra kanefa sahirana noho ny isan’ny asa hatao sy miandry », hoy hatrany ny Tale namarana ny dinidinika.