Non classé

Didi-poitra nentim-paharazana – Mbola mitana ny ady gasy

Mampihena ny didi-poitra nentim-paharazana ny didi-poitra faobe

Roapolo taona mahery no nandovan-dRatsimbarivelo Richard ny fanaovana famorana zaza nentim-paharazana. Mpitazona ireo zaza hatao didi-poitra no nataony fony mbola tanora sy natanjaka
ny rainy, nandritra ny taona maro

Mampihena ny didi-poitra nentim-paharazana ny didi-poitra faobe

Nafindra tamin’ny alalan’ny fifandraisan-tanana teo amin’izy mianaka ny fandovana rehefa osa sy narary ny rainy ka tsy nahita firy intsony ny masony. Na manonofy na misy zavatra manelohelo ny lehilahy rehefa misy olona ho avy tonga haka azy. Hatreto mbola tsy nisedra olana izy tamin’ny fanatanterahana ny famorana nataony.
Faralahy tamin’izy enina mianadahy zanaky Ratsimbarivelo na dada Tsimba, Ratsimbarivelo Richard, monina etsy Andranomahery. Tsy nisy nanao io asa famoran-jaza io ireo iray tampo aminy. Manara-dia ny rainy ary mitazona ny zaza hatao didi-poitra no fanaony nandritra ny taona maro, raha mbola natanjaka ny rainy. Raha ny tsilian-tsofina dia nolovain’i dada Tsimba tamin’ny rainy ihany koa ny talenta famoran-jaza.
Ny taona 1997, narisarisa tratry ny kohaka sy sery Ratsimbarivelo na dada Tsimba, efatr’andro mialohan’ny fotoana hamoran-jaza teny Ambohimanarina. Olona tsy mba farary izany i dada Tsimba raha ny filazan’ny zanany. Nigadona ny fotoana nifanomezana. Tonga teny Ambohimanarina, tokony tamin’ny efatra sy sasany maraina izy mianaka,.tsy nisy resaka teny an-dalana fa nandeha toy ny mahazatra izy ireo, nipetraka teo ambony laona ary efa vonona niandry ny zaza atao didi-poitra koa. « Noraisiny ny tanako sady nasainy nitsangana aho. Inty ny antsy fa tsy ho vitako intsony sady nitso-drano ahy izy », hoy Richard Ratsimbarivelo, mitantara ny nanombohany nanao didi-poitra voalohany.
Tsy nisy ny tahotra. Vita soa aman-tsara ny famoran-jaza efatra indray mipaoka, tamin’io fotoana nanombohana io. Telo andro taty aoriana, teny Manjakaray indray izy mianaka, saingy lasa mpanara-dia sisa i dada Tsimba. Nanitsy ny fomba fipetraka ary nanome toro-hevitra vitsivitsy rehefa miatrika famoran-jaza no nataony.

Ny hasin-tanana

Mila fifantohan-tsaina eo ampanatanterahana ny didi-poitra

Tsy nianarana fa lova nifandovana tamin’ny ray aman-dreny na karazana fanomezam-pahasoavana ho azy ity asany ity. « Tsy natao ho asa fivelomana ny fanaovako an’io didi-poitra io. Taloha aza nisy olona tonga nitaraina fa tsy manana, hany ka izay foiny no nomeny. Tsy mety mantsy raha tsy misy hasin-tanana fa manjary ela fery ny zaza », hoy Ra-tsimbarivelo Richard, mahatsapa ny fahorian’ny olona mpiray tanàna aminy.
Misy ny sara-pandidiana efa hifanarahan’ireo rain-jaza mpikambana. Ny tokantrano tsirairay samy manana ny fidiram-bolany, kanefa tsy maintsy hatao ny didi-poitra.
Tao anatin’izay roapolo taona izay, ankizy maro no efa nataon-dRatsimbarivelo Richard, fora zaza. Ahitana karazan-javatra mampihomehy sy mampalahelo indraindray. Misy ny hafatra hampitondraina ny ray aman-drenin’ny zaza mandritra ny fihaonana voalohany. Hafarana tsara mba asaina mivoaka na tsy homena sakafo be loatra ilay zaza sao sanatria mangery eo ampanatanterahana ny didi-poitra. Misy ny kojakoja madinika ilaina toy ny lamba handraisana ny zaza. « Efa mifanaraka tsara fa tokony harahina ny fepetra apetraka satria voatondraky ny fivalan-dranon’ilay zaza na mandray ny malotony ianao. Nisy fotoana aza voaompa mihitsy noho ilay zaza efa lehibe », hoy Richard, sady nitsikitsiky.
Mandritra ny fanaovana didi-poitra, maro ny liana sy mitangorona. « Safotra tao an-damosiko ny lehilahy iray fa naheno ny fikiakiakin’ilay zaza angamba sa nahita ny rà nandeha. Lasa ilay torana indray no nifamonjen’ny olona sasany. »

Tsindry mandry
Manana ny hasina manokana ny fanaovana didi-poitra, raha ny an-dRatsimbarivelo Richard manokana. « Manonofy ny bikabikan’ilay olona ho tonga eto an-trano, roa na telo andro mialoha. Na misy zavatra mandindona na manelohelo izany », rehefa vanim-potoana fanaovana didi-poitra toy izao.
Tsy mandeha lavitra miala ny trano rehefa miseho ireo tranga roa ireo. Tsy manondro andro fa ny olona tompon’ny raharaha ihany no manondro ny andro hanaovana ny didi-poitra. Misy ny ampitson’ny hahatongavany ao an-trano dia raikitra ary misy herinandro aty aoriana. « Eo no tena ilaina fifantohan-tsaina rehefa eo ampanatanterahana ny asa. Adinoina daholo ny zavatra rehetra sao sanatria misy ny loza tsy ampoizina », hoy Ratsimbarivelo Richard.

Mpifaninana

Hety sy antsy ary fanafody no fitaovam-pandidiana

Mihazakazaka be ny fandrosoan’ny teknolojia ka mihena tsikelikely ny olona mbola mitana ny nentin-drazana. « Tato anatin’ny folo taona farany, zara raha misy olona maka sy manao didi-poitra mahazatra », hoy ity rain-jaza. Indrindra hatramin’ny nisian’ny famorana faobe, amin’izao fampielezan-kevitra izao, sy ireo maka mpitsabo ka hataony any am-piangonana.
Misy ireo fianakaviana mitana ny famorana nentim-paharazana sady efa nahita ny fahaiza-manao, Ratsimbarivelo Richard no mbola maka azy, amin’izao fotoana. « Mifanontany ireo ray aman-dreny efa nahavita ny zanany sy ireo mbola vao mikasa hanao didi-poitra », hoy Richard, mandinika ny fahatongavan’ny olona tao an-tokantranony fahiny.
Noho ny fandrosoan’ny teknolojia, miantso avy hatrany ny laharana 033 87 282 39 ny olona sasany. « Ny toerana hifamotoana no atao mazava tsara dia samy vita », hoy Ratsimbarivelo Richard, namarana ny teniny.

Soratra & Sary :
Ranaivoson Rémi