Onjam-piainana

Ambanin’AMPAMARINANA – Vato mandondona

Misahotaka sy mandry tsy lavo loha ny mponina eny amin’ny tehezan-tendrombohitr’i Manjakamiadana, ankehitriny. Olona iraika ambin’ny folo no namoy ny ainy tao anatin’ny tapa-bolana, vokatry ny fianjeran’ny vatobe. Trano ampolony no rava tanteraka. Nisy ireo nifindra avy hatrany taorian’ny loza. Nisy ireo mbola nifandresy lahatra tamin’ny tompon’andraikitra ny hijanona, mitady ny marimaritra iraisana. Tokantrano maherin’ny telo arivo no tsy maintsy esorina manodidina ny havoan’Ampamarinana

Tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Geralda, ny taona 1994 no nisy fanadiovana sy fanapahana farany ireo zavamaniry teny amin’ny havoan’Ampamarinana. Manampy trotraka ny fako entin’ny riaka rehefa fotoam-pahavaratra.
Mihetsika amin’ny toerany avokoa ireo tangorom-bato noho ny fihetsehan’ny tany. Tao anatin’ny tapa-bolana, olona iraika ambin’ny folo no namoy ny ainy.

Tsy nampoizina
Raha tao anatin’ny orana nikija no nitrangan’ny loza teny amin’ny fokontanin’i Tsimialonjafy, tapa-bolana lasa, nifanohitra tamin’izany kosa no niseho teny amin’ny fokontanin’Ambanin’Ampamarinana, ny alahady 3 febroary, tokony tamin’ny 10 ora sy sasany antoandro. Vatobe nizara telo no nandravarava tamin’ity loza vao nitranga ity. « Raha tsy nisy an’ilay andrin-jiro nanohana io vatobe io angamba dia anisan’ireo potika tanteraka ihany koa ny tranonay », hoy Randriamanampy Aina, renim-pianakaviana.
Samy variana tamin’ny asa aman-draharaha ao an-tokantrano ny mponina teny amin’ny fokontanin’Ambanin’Amparimarinana, tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Nanararaotra ny andro tsy fiasana. Teo ampanasana lamba teo an-tokontany Randriamanampy Aina, ary tao an-trano ny zanany telo mianadahy. « Toy ireny fiarabe mandraraka fasika sy « moellons » ireny no fihainoako azy tamin’ny voalohany. Fotoana fohy dia nisy zavatra nirodorodo be tamin’izay. Nikoropaka niantso an-janako aho hivoaka ny trano haingana….. Nivoaka ny trano aho nahare ny feon’ny olona tany ambadiky ny tranonay niantso vonjy sy nikiakiaka ary nitomany », hoy hatrany Aina, mbola marikoditra mandinika ny niatrehany iny loza iny.
Manan-janaka telo mianadahy Randriamanampy Aina. Trano misy rihana roa no toeram-ponenan’izy dimy mianaka. Nilalao tany amin’ny rihana farany ambony ny zanany lahy tokana sady faralahy. Ny vavimatoa tao amin’ny rihana voalohany ary ny vaviaivo tao ambany rihana. « Mbola vitan’ilay zanako vavimatoa, enina ambin’ny folo taona, ny niakatra tany amin’ny rihana ambony nibata ny zandriny. Tsotra ny mitantara ny zava-nisy fa henjana be no fiantrehana izany hoe ny zanaka vonjena, ny mpiara-monina mitady fanampiana aminao, izay tontosaina ao anatin’ny fotoana fohy. Hany heriko, nitondra azy telo mianadahy tany amin’ny arabe aloha vao niverina nanavotra ireo tra-doza », hoy hatrany ity renim-pianakaviana.
Teny amin’ny fokontanin’Ambanin’Ampamarinana no nahalehibe an-dRandriamanampy Aina. Tsy mbola nisy loza nihatra taminy sy ny fianakaviany, tao anatin’izay fotoana lava be nipetrahany teny izay.
« Tadidiko tsara, taloha, fa misy olona manadio sy manapaka foana ireo hazo sy taretra ireo, isa-taona, rehefa fotoanan’ny main-tany. Taty aoriana, tsy nisy nanao intsony izany fanadiovana izany matoa lasa avo be toy izao ireo voandelaka sy hazo ireo. Lasa manavesatra ilay vato fotsiny anefa ireo zavamaniry ireo satria tsy lasa lavitra ny fakan’izy ireo. Manampy trotraka ny fako entin’ny riaka rehefa avy toy izao ny orana », hoy Randriamanampy Aina.
Nisy tamin’ireo mponina no nisafidy avy hatrany ny hiala teny amin’ny toeram-ponenany, taorian’ny loza. Ho an’ireo tsy manana toerana haleha dia napetraka tamin’ny toeram-pianarana iray izy ireo. Mitaona ny entana tsikelikely ny mponina. Tsy mahatombina any an-trano fa eny amin’ny sisin-dalana no mifampitafatafa sy miady hevitra. « Mangataka amin’ny fitondram-panjakana izahay ny hitadiavana vahaolana maharitra fa tsy vahaolana ankamehana toy izao. Fantatra fa isan-taona dia lazaina fa faritra mena ny ety aminay. Kanefa tety no nahalehibe anay ary manana taratasy ara-dalana matoa nahavita trano tety ireo ray aman-dreninay. Tokony hisy fiaraha-miasa amin’ny Nosy La Réunion satria izy ireo manana traikefa amin’ny fiatrehana ny loza mety hitranga amin’ny fianjeran’ny vato, manampy ireo teknisianina malagasy », hoy Ramaroson Caroline.

tanàna haolo
Nanao taratasy fanambarana sy fangatahana ireo mponina. Tsy ny fanomezana no tadiavin’izy ireo amin’ny loza voajanahary toy izao. « Tsy sanatria miavona izahay amin’ny fanomezana homena anay. Azo lazaina fa manana ny ampy raha ny ankamaroan’ny olona ety. Ny hiarovana ny ainay manoloana ireo vato be mitatao eo ambonin’ny tranonay no tokony hikaroham-bahaolana miaraka. Tsy moramora izany hoe hiala amin’ny trano nahazatra. Ahoana no hifanarahana amin’ilay trano vaovao hipetrahana ? », hoy hatrany Caroline.
Lasa nifindra monina tsy fidiny ny mponina eny Ambanin’Ampamarinana. Nisy fivoriana tsy ara-potoana hitadiavam-bahaolana nifanaovan’ireo mponina. « Mahandro sakafo sisa no hataonay rehefa antoandro ny andro. Tsy mijanona ao an-trano fa ety amoron-dalana no miandry ny sakafo ho masaka. Rehefa hariva ny andro dia mody eny Alakamisy-Fenoarivo izahay dimy mianaka », hoy Randriamanampy Aina.
Mbola tantara mitohy ny zavatra miandry sy ny mety mbola hiseho amin’ireo fokontany maromaro manodidina ny tehezan-tendrombohitr’i Manjakamiadana, mandritra ny fotoam-pahavaratra.

Soratra & Sary :
Ranaivoson Rémi